Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 5:20-30 Malagasy Bible (MG1865)

20. misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,

21. sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,

22. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.

23. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.

24. Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.

25. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,

26. mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;

27. mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.

28. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

29. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana;

30. fa momba ny tenany isika.

Vakio ny toko manontolo Efesiana 5