Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 4:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;

14. mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;

15. fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;

16. Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.

17. Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;

18. fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,

19. dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.

20. Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,

21. raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,

Vakio ny toko manontolo Efesiana 4