Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 1:2-18 Malagasy Bible (MG1865)

2. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3. Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,

4. araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,

5. rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,

6. ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.

7. Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,

8. izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,

9. rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,

10. hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;

11. ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony,

12. mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.

13. Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.

14. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

15. Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra,

16. dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,

17. mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,

18. ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,

Vakio ny toko manontolo Efesiana 1