Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 9:34-39 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.

35. Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.

36. Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.

37. Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.

38. Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatį»³ aminay.

39. Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 9