Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 6:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.

2. Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.

3. Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.

4. Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.

5. Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),

6. ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.

7. Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

8. Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 6