Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 27:20-34 Malagasy Bible (MG1865)

20. fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.

21. Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.

22. Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.

23. Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina

24. ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.

25. Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.

26. Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.

27. Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;

28. dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.

29. Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.

30. Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,

31. dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.

32. Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.

33. Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.

34. Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 27