Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 22:16-25 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.

17. Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry

18. ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.

19. Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;

20. ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.

21. Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.

22. Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!

23. Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,

24. dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.

25. Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 22