Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 2:36-45 Malagasy Bible (MG1865)

36. Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

37. Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?

38. Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

39. fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

40. Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.

41. Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.

42. Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.

43. Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.

44. Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,

45. ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 2