Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 11:28-30 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.

29. Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.

30. Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 11