Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 10:31-44 Malagasy Bible (MG1865)

31. ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.

32. Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.

33. Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.

34. Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;

35. fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.

36. Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),

37. dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,

38. Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

39. Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;

40. nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,

41. tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.

42. Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.

43. Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.

44. Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 10