Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 10:19-28 Malagasy Bible (MG1865)

19. Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;

20. fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.

21. Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?

22. Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.

23. Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.

24. Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.

25. Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.

26. Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.

27. Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.

28. Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 10