Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 8:11-13 Malagasy Bible (MG1865)

11. ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.

12. Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.

13. Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 8