Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 22:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.

7. Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.

8. Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.

9. Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.

10. Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.

11. Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.

12. Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.

13. Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

14. Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 22