Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 21:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.

16. Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.

17. Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely.

18. Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.

19. Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,

20. ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta.

21. Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.

22. Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.

23. Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy.

24. Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.

25. Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).

26. Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 21