Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 17:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,

2. dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.

3. Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.

4. Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;

5. ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.

6. Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.

7. Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.

8. Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.

9. Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.

10. Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.

11. Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 17