Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 16:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.

2. Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.

3. Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.

4. Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.

5. Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;

6. fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.

7. Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.

8. Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.

9. Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.

10. Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,

11. dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.

12. Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.

13. Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 16