Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 10:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony

8. Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.

9. Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10. Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.

11. Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 10