Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Timoty 2:6-17 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

7. Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

8. Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,

9. izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

10. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.

11. Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12. raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;

13. fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

14. Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,

15. Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.

16. Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

17. ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,

Vakio ny toko manontolo 2 Timoty 2