Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Timoty 2:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.

16. Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

17. ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,

18. izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.

19. Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."

20. Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.

21. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.

22. Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.

23. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.

24. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,

25. mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,

26. ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.

Vakio ny toko manontolo 2 Timoty 2