Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tesaloniana 2:8-17 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;

9. ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10. ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11. Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,

12. mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

13. Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,

14. sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.

15. Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.

16. Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,

17. no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.

Vakio ny toko manontolo 2 Tesaloniana 2