Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 9:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,

11. dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.

12. Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,

13. satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;

14. ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.

15. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 9