Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 7:12-16 Malagasy Bible (MG1865)

12. Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.

13. Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.

14. Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo.

15. Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.

16. Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 7