Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 7:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2. Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona.

3. Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.

4. Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra.

5. Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.

6. Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy,

7. ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.

8. Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.

9. Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona.

10. Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 7