Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 1:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:

2. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3. Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,

4. Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.

5. Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.

6. Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.

7. Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.

8. Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 1