Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Timoty 3:14-16 Malagasy Bible (MG1865)

14. Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;

15. fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.

16. Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra.

Vakio ny toko manontolo 1 Timoty 3