Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 5:5-15 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.

6. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.

7. Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.

8. Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.

9. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,

10. Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.

11. Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.

12. Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,

13. ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.

14. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.

15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 5