Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 5:13-26 Malagasy Bible (MG1865)

13. ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.

14. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.

15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

16. Mifalia mandrakariva.

17. Mivavaha, ka aza mitsahatra.

18. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

19. Aza mamono ny Fanahy.

20. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.

21. Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.

22. Fadio ny fanao ratsy rehetra.

23. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.

24. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

25. Ry rahalahy, mivavaha ho anay.

26. Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 5