Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 5:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,

2. satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.

3. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.

4. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.

6. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.

7. Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.

8. Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.

9. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,

10. Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 5