Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 2:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,

16. ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.

17. Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.

18. Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.

19. Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 2