Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 2:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;

2. fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.

3. Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.

4. Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.

5. Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);

6. ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 2