Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 8:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.

9. Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.

10. Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?

11. Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana?

12. Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.

13. Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 8