Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 4:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.

15. Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.

16. Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.

17. Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.

18. Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.

19. Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 4