Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 12:28-31 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.

29. Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?

30. Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?

31. Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 12