Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 10:8-21 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.

9. Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.

10. Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.

11. Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.

12. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.

13. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.

14. Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.

15. Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.

16. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va izany?

17. Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.

18. Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?

19. Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?

20. Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo.

21. Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 10