Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 1:4-15 Malagasy Bible (MG1865)

4. Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,

5. dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,

6. araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,

7. ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,

8. Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.

9. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

10. Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.

11. Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.

12. Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.

13. Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?

14. Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,

15. fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 1