Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Jaona 5:7-16 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa misy telo izay manambara,

8. dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.

9. Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.

10. Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.

11. Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.

12. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.

13. Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.

14. Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;

15. ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.

16. Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Jaona 5