Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Jaona 3:10-18 Malagasy Bible (MG1865)

10. Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.

11. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-

12. tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.

13. Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo.

14. Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.

15. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.

16. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

17. Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?

18. Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.

Vakio ny toko manontolo 1 Jaona 3