Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zefania 1:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.

7. Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.

8. Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.

9. Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.

10. Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.

11. Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.

Vakio ny toko manontolo Zefania 1