Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 14:10-18 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.

11. Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.

12. Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.

13. Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.

14. Ary ny Joda koa hamely an'i Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.

15. Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.

16. Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

17. Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.

18. Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

Vakio ny toko manontolo Zakaria 14