Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 13:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.

4. Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,

5. fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.

6. Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny.

7. Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.

8. Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.

9. Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.

Vakio ny toko manontolo Zakaria 13