Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 7:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.

2. Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.

3. Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.

4. Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.

5. Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.

6. Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!

7. Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!

8. Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.

9. Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,

10. Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.

11. An'ny malalako aho, sady manina ahy izy.

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 7