Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 5:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?

10. Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.

11. Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.

12. Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.

13. Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.

14. Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;

15. Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.

16. Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema!

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 5