Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 4:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,

4. Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.

5. Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.

6. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.

7. Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.

8. Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.

9. Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.

10. Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 4