Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 4:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.

2. Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.

3. Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,

4. Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.

5. Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.

6. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.

7. Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.

8. Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.

9. Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 4