Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Tonon-Kiran'i Solomona 2:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.

7. Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.

8. Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.

9. Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.

10. Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!

11. Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;

Vakio ny toko manontolo Tonon-Kiran'i Solomona 2