Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 90:6-15 Malagasy Bible (MG1865)

6. Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.

7. Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.

8. Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.

9. Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.

10. Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.

11. Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?

12. Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.

13. Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.

14. Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.

15. Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.

Vakio ny toko manontolo Salamo 90