toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48
  49. 49
  50. 50
  51. 51
  52. 52
  53. 53
  54. 54
  55. 55
  56. 56
  57. 57
  58. 58
  59. 59
  60. 60
  61. 61
  62. 62
  63. 63
  64. 64
  65. 65
  66. 66
  67. 67
  68. 68
  69. 69
  70. 70
  71. 71
  72. 72
  73. 73
  74. 74
  75. 75
  76. 76
  77. 77
  78. 78
  79. 79
  80. 80
  81. 81
  82. 82
  83. 83
  84. 84
  85. 85
  86. 86
  87. 87
  88. 88
  89. 89
  90. 90
  91. 91
  92. 92
  93. 93
  94. 94
  95. 95
  96. 96
  97. 97
  98. 98
  99. 99
  100. 100
  101. 101
  102. 102
  103. 103
  104. 104
  105. 105
  106. 106
  107. 107
  108. 108
  109. 109
  110. 110
  111. 111
  112. 112
  113. 113
  114. 114
  115. 115
  116. 116
  117. 117
  118. 118
  119. 119
  120. 120
  121. 121
  122. 122
  123. 123
  124. 124
  125. 125
  126. 126
  127. 127
  128. 128
  129. 129
  130. 130
  131. 131
  132. 132
  133. 133
  134. 134
  135. 135
  136. 136
  137. 137
  138. 138
  139. 139
  140. 140
  141. 141
  142. 142
  143. 143
  144. 144
  145. 145
  146. 146
  147. 147
  148. 148
  149. 149
  150. 150

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 90 Malagasy Bible (MG1865)

Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra

1. Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.

2. Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.

3. Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.

4. Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.

5. Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.

6. Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.

7. Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.

8. Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.

9. Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.

10. Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.

11. Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?

12. Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.

13. Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.

14. Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.

15. Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.

16. Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.

17. Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.