Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 90:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.

14. Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.

15. Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.

16. Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.

17. Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 90