Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 78:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.

2. Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.

3. Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,

4. Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.

5. Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;

6. Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,

Vakio ny toko manontolo Salamo 78