Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 74:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?

2. Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.

3. Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.

4. Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.

5. Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;

6. Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.

7. Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany ny fonenan'ny anaranao.

8. Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.

9. Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.

10. Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?

11. Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.

12. Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.

13. Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.

14. Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.

15. Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 74